Farango sosona Aina
Livre 111 pages Recueil de poèmes en langue malgache
Edition Teza Boky Antananarivo, 2004
 

Tojo anao aho ka dia mirana
Afa-po fa tsy ho sahirana
Hitady naman-kafa intsony
Satria ianao fiononana…
Satria ianao fitiavana…
Satria ianao fanantenana.

T’avoir rencontré m’a rendu le sourire.
Ainsi désormais je n’aurai plus à m’offrir
Le souci de ma quête d’âme sœur
Parce que tu es consolation…
Parce que tu es amour…
Parce que tu es espérance.

Noravahan’i BESSA feony izany teny izany,
Nohirainy niaraka tamin’i Lola,
Nizara ny haravoany tamin’ity sakaizany i
RADO teo am-pamakiana izao randran-teny izao… tamin’ny taona 1990 tany ho any…
Ary indray volana Martsa tamin’ny taona 2004, dia norangotin’ny mpanoratra, mpamoron-kira, mpihira Bessa ny teny fanolorana ary niangalian’ny poeta Rado ny teny famaranana ho fanolorana ny « Farango sosona », amboaran-tononkalo voalohany nosoratan’i AINA.

BESSA a signé la composition de ce texte,
Il a chanté avec Lola cette chanson,
RADO a partagé la joie de son ami compositeur en allant à la découverte de ces tresses de mots…dans les années 90… Et un certain mois de Mars de l’année 2004, l’auteur compositeur interprète Bessa signe la préface, et le poète Rado signe la postface en vous présentant « Farango sosona », Guillemets, le premier recueil de poèmes de AINA.

 

I Aina no kalazanay amin’ny teny malagasy
nanomboka tamin’ny horonan-tsary Mahaleo
mikasika ny dikan-teny rehetra…
manolotra ny amboaran-tononkalony ho anareo izahay anio
mandra-piandry ny fandikany izany amin’ny teny hafa.

Aina est notre spécialiste de la langue malgache
depuis le film Mahaleo, transcription, traduction, sous-titrage…
nous vous présentons aujourd’hui son recueil de poèmes
en attendant les traductions en d’autres langues.

 


Aina, en route vers l'île de Groix - 2006