Raha noana ny kibo re

mivezivezy ny fanahy

Ireo razana efa lasana aza

tsy mety mitahy

Koa aza mba kanosa re

sy be ahiahy

fa sao dia voasongona

fa be ireo fetsilahy

 

Ialao ny hakamoana

hitondra mosary

Ireo razana manohana

raha mamboly vary

Fa ny fambolena ihany

no harena eto an-tany

F'izay mahavita izany

hisongadina avy hatrany

 

Fa efa mihasarotra

ity fiainantsika ity

Fa misy te hivarotra

ity tanintsika ity

Tsy fantatra intsony

aiza ny marina

Fa ‘tady holotoiny

am’izay tsy ho tafarina ô

Fa ‘tady hovonoiny

ka hivarimbarina

 

Fantatsika mazava anie

ireo olana misy

izay tsy ampoizina akory

nefa misy dia misy

Inona àry no atao

mba hialana amin’izao ô

Raiso àry ny andraikitra

f’efa mafy ity ny kaikitra

 

Ny alaolana dia betsaka

mameno ny tany

Avelao hatreo ny resaka

fa io tsy mety lany

Fa ny toky anie fitaka

ny atao no hita

N’inona n’inona saritaka

rehefa vonona tafita

 

Nahoana raha miara-dia

hifanohantohana

Hifanaja, hifankatia

tsy hifanondro vohana

Hiaraka hikarakara

ity tanintsika ity

Ka ny soa sy tena tsara

no hatolotra azy ity ô

Aza mba mizarazara

hampandroso azy ity (x3)


vaovao
newsletter
misorata anarana raha te handray ny gazetinay amin'ny mailaka:

ilaina
Imprimeo ny Bon de Commande, alefaso miaraka amin ny ravin-tseky (cheque) amin’ny paositra.
jereo >>

Raha te hanoratra na hiantso, na te handalo. Ny toerana misy anay ?
jereo >>

Filma vitan\' Laterit Productions
jereo >>

© Laterit productions